<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>627</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Vimbino tsara izahay
 Ry Jeso Kristy Tomponay !
 Mba tsy ho diso lalana
 Atý ambony rano be,
 // Ka na manonja aza re
 Ny ria-dranomasina,
 Tazòny mafy izahay
 Mba tsy ho rendrika atý //

[V2]
 Dia mitsangàna, ka avia,
 Ry Jesosy, Mpamonjy tia !
 Jereo ny fahorianay ;
 Anaronao ny rivotra
 // Izay mampanonja toy izao
 Ny alon-dranomasina,
 Izay manafotra anay
 Atý am-pandehananay //

[V3]
 Fa Hianao no aronay,
 Ka dia sahy izahay
 Hamaky sy hanohitra
 Ny onjan-drano betsaka ;
 :,; Ka aoka tsy ho fefika
 Atý an-dranomasina,
 Fa mba ho tonga aminao
 Ny sambonay,
 ry Tompo ô !</lyrics>
<title>Vimbino tsara izahay FFPM627</title>
<author>F.J. Hayden</author>
</song>